ActualitésTsidika

Fifamezivezena : Ho tapaka ny lalana Mandroseza Mahazoarivo ny 1 may izao noho ny fitokanana

Hisy fikorontanana ny fifmezivezena amin’ny lalana avy eo Ambohimiandra raha hihazo an’ny Mahazoarivo iny ny alatsinainy 1 may izao. Izany dia noho ny fitokanana io ampahan-dalana io izay nasiam-panamboarana. Ho ny ilany ihany no tsy azo hivezivezena manomboka amin’ny 08ora sy 30 minitra hatramin’ny 9 ora sy 30 minitra. Hotapaka tanteraka kosa ny lalana manomboka amin’ny 10ora hatramin’ny 11 ora maraina.

« Ireo fiara rehetra hihazo an’ny Mandroseza sy Androndra dia tsy afaka ny hampiasa ny lalana mahazatra ka tsy maintsy handray ny lalana Andrimanelo, mitsofoka amin’ny lalan-kely manoloana ny sekoly Bird ary manohy ny lalana Razeroma na lalana Ramilijaona. Hiverina amin’ny laoniny kosa ny fifamoivoizana aorian’ny hetsika rehetra », hoy ny avy ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.  

Naneho ny heviny mahakasika ireo lalana simba hafa manodidina ny Antananarivo ireo mpampiasa lalana. « Mampihomehy ny zava-misy satria dia lalana simba ve no ho tokanana. Maninona raha amboarina aloha. Eo ihany koa ireo lalana hafa mila fanamboarana sy fanarenana. Tsy tokony harenina ve aloha ireny, hampiasaina amin’ireny ny vola aloha », hoy i Ravaka.

Mainkina indrindra amin’ny akora hampiasaina hanamboarana ny lalana ny fahamafisany kanefa miaraka amin’izany dia tokony samy hikajy sy hahay hampiasa izany am-panajana ny fananana iombonana ihany koa ny mpisehatra tsirairay.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire