ActualitésTsidika

Fitaterana an’habaka : Misokatra ho amin’ny firenena maro ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena rehetra eto Madagasikara

Efa afaka mandray firenena sy fiara-manidina maro avy amin’ny firenena samihafa daholo ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena valo eto Madagasikara. Hanatanteraka sidina mampifandray an’i Sainte Marie sy La Réunion manomboka ny 17 septambra ho avy io ny Air Madagascar. Isaky ny alarobia ho an’ny mandeha ary isaky ny asabotsy ny miverina.

« Tsy mampandroso an’i Madagasikara ny fihidina aman-trano ato foana ka izany indrindra no nahatonga izao fisokafana goavana be ho antsika izao » hoy ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro. Hoy kosa ireo mpanjifa manoloana izany : « rehefa tsara ny service sy ny fomba fiasa dia betsaka ny firenena maniry hiara-hiasa amin’ny tena ka misokatra ho azy io fiaraha-miasa io fa tsy terena be ohatran’izao », hoy i Saïd, mpanjifa ny sidina an’habakabaka.

Kaompaniam-pitaterana miisa sivy ankehitriny no efa miasa eto Madagasikara dia ny Air Madagascar, Air France, Air Mauritius, Air Austral, Kenya Airways, Ethiopian Airlines, Turkish Airlines, Neos Air ary ny Ewa Air. Samy manana ny toerana handehanany sy ny mahasamihafa azy izy ireo fa anjarantsika mpandeha no misafidy.

Miora Raharisolo

RépondreTransférer

Laisser un commentaire