Talata Volonondry : Nisehoana fisolokiana sy fangalarana kodiran-droa
Talata Volonondry : Nisehoana fisolokiana sy fangalarana kodiran-droa
Saika nendrenesana fahaverezana moto na kodiara-droa tato ho ato, ary mitovy avokoa ireo endrika fahaverezany. Toa ity tao Talata volonondry ity, mangataka hanao andrana na « essai » ireo olon-dratsy ka avy hatrany dia entiny mirifatra ilay moto.
« Tsy kely lalana ny ratsy, efa miseho amin’ny endriny maro ny fisolokiana sy ny fangalarana. Tena efa tsy mifidy intsony ny mpanao ratsy. Tsy misy hafa-tsy ny fahamailona hatrany no fitadremana azo atao amin’izao fotoana izao manoloana ny tsy fahandriam-phalemana » hoy i Sebastien, mpitondra moto.
« Efa misy ny fametrahana lalàna mahakasika ny fananan’ny kodiaran-droa halalana hitondra sy taratasy manamarina ilay mpitondra azy, anisan’ny paik’ady napetraka izany entina miady amin’ny halatra moto sy ny fisolokiana isan-karazany miseho » hoy ny tompon’andraikitra misahana ny fifamoivoizana.
Tsy vao izao no nisy ny endrika fisolokiana eo amin’ny fangalarana moto, izay hanovan’ireo olona very fananana fitarainana sy antso avo. Ny fahamailona mandrakariva no tokony atao laharam-pahamehana voalohany hialana amin’ny tampoka sy loza tahaka izao.
Manitra Ramanantsoa
