ActualitésTatitra

Royaume-Uni : Miondrika am-panajana amin’ny fahalasan’i Élisabeth II izao tontolo izao

Teraka ny 21 Aprily 1926 tao Londres ny mpanjakavavy Élisabeth II ary niamboho omaly 8 septambra 2022 teo amin’ny faha 96 taonany. Naharitra 70 taona teo amin’ny fiandrianana izy rehefa niakatra teo amin’izany taoran’ny nahafatesan’i George VI tamin’ny 6 febroary 1952.

Mpanjaka ela nitondrana indrindra tao Royaume-Uni i Élisabeth II, ary anisan’ny nanamarika ny tantara. Izy no mpanjaka voalohany nankalaza ny faha 70 taona niandrianany. Nanao fampilazana ny haino aman-jery tao Royaume-Uni fa miditra ao anaty fisaonam-pirenena, haharitra 10 andro, ny firenena manoloana ny fahalasan’io olo-manga io. Maro ireo mponina ao Royaume-Uni sy avy amin’izao tontolo izao no tonga teo amin’ny Buckingham omaly vantany vao nahare ny fahafatesan’ny mpanjaka raha.

Marihina fa tao Balmoral, Ecosse no niamboho ny mpanjaka. Efa miomakomana amin’ny fampandrianana ny solon’ity farany kosa ireo britannique. I Charles Philip Arthur George, 73 taona, no handimby azy ao amin’ny fitantanana ny Commonwealth. « Charles III » no hiantsoana ity mpanjaka vaovao ity. Ho tontosaina androany 9 septambra ny fanamabarana ofisialy mikasika izany.

Laisser un commentaire