ConseilTsidika

Torohevitra: Fanalana ny fery amin’ny sisi-molotra

Tranga miseho, indrindra amin’ny zazakely ny fanaintainana amin’ny sisi-molotra. Antony maro no mety mahatonga azy io, mety vokatry ny fisiana bakteria , mety vokatry ny tsy fahampiana hery fiarovana any anaty ihany koa.

Inona no tokony hatao ao anatin’izany? Tokony hisakafo ara-pahasalamana ara-pahasalamana aloha voalohany indrindra. Mila hampitombona ny hery fiarovana ao anatin’ny ankizy, indrindra ireo voankazo sy legioma manankarena vitamina A sy B.

Mila arahana maso ihany koa ny fahadiovan’ny fahasalaman’ny aty vava. Mila miborosy nify in-telo isanandro ary atao ezaka ny tsy milelaka ny molotra.Raha voan’ny sery na gripa ny ankizy dia mila tsaboina tsara.

Fa mba hanamaivana sy hanasitrana ny fery eo amin’ny sisi-molotra, azo atao ny manosotra tantely amin’ny faritra marary. Ny tantely izay fantatra fa manan-karena singa manafaingana ny fahasitranan’ny fery. Raha manonotra na mivoaka ra kosa ny fery dia tsara manantona mpitsabo.

Manitra R.

Laisser un commentaire