ActualitésTatitra

Allemagne : Manao asa soa ihany koa ny orinasa Adidas

Orinasa naorin’i Adolf Dassler tamin’ny taona 1949 ny Adidas izay misy miantso ihany koa hoe « trois bandes ». Ao Herzogenaurach, Allemagne no misy ny ivo-toerany ary mamokatra fitaovana ho an’ny fahatanjahantena no tena asany. Isany marika malaza indrindra eran’izao tontolo izao ny Adidas. Nitana ny laharana voalohany nandritra ny taona maro teo amin’io sehatra sahaniny io izy.

Tany am-piandohana dia « Gebrüder Dassler Schuhfabrik » no anaran’io orinasa io. I Adolf Dassler manokana sy ny rahalahiny Rudolf mantsy no nanamboatra sy namarotra ny kiraro tany am-piandohana.

Toy ny Nike dia miara miasa amin’ny olo-malaza maro ny Adidas. Isan’izany i Kanye West saingy nifarana ny volana oktobra lasa teo ny fifanarahan’izy ireo. Manoloana izany dia hamarotra ny ampahan’ny kiraro atao Yeezy niarahany niasa tamin’io mpihira io Adidas ary hanome ny vola azo avy amin’izany ho an’ny fikambanana samihafa.

Laisser un commentaire