ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Hisy ny hetsika fanaovana didifoitra faobe

Hisy ny hetsika fanaovana didifoitra faobe ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Fiaraha-miasa eo amin’ny kaominina sy ny clinique Fidy ao an-toerana no hampisy izany hetsika izany, izay atao ny alakamisy 08 jona ho avy izao, araka ny voalaza.

« Efa fanao isan-taona ny fanatanterahana ny hetsika didifoitra faobe eto amin’ny kaominina. Ilaina kosa anefa ny manoratra anarana mialoha eny anivon’ny kaominina mba hahafahana mandamina sy mahafantatra ny andinindininy » hoy ireo tomponandraikitra ao an-toerana.

« Fotoana iray manan-danja eo amin’ny malagasy ny didifoitra. Anisan’ny mampahalahelo anefa satria noho ny fahasahiranana dia maro ireo ray amandreny no tsy mahatontosa izany ara-pomba ka anisan’ny fanampiana lehibe ny hetsika faobe » hoy i Tolotra, mponina ao Ankadikely Ilafy.

Ankoatra ny fanatanterahana ny didifoitra faobe ity dia mbola mandeha ihany koa ny fanentanana amin’ny fitsarana miaramila ho an’ireo tanora ao an-toerana. Ity farany izay atao ao amin’ny kianja Fifankatiavana Ankadikely ny 01 sy 02 jona ihany koa.

Manitra R.

Laisser un commentaire