PolitiqueTsidika

Anterimieran-dohaolona : Volavolan-dalana miisa roa no nolaniana

Nolaniana teo anivon’ny Anterimieran-doholona Anosy ny volavolan-dalàna roa. Nitarika ny fivoriana ny Filohan’ny Antenimierandoholona, Herimanana Razafimahefa.Nanatrika izany fandaniana sy fankatoavana ny volavolan-dalana ny Minisitry ny Toe-karena sy ny Fitantanam-bola, Richard Randriamandrato niaraka tamin’ireo teknisianina mpiara-miasa ao amin’ny Minisitera.

Volavolan-dalàna laharana faha -013/2021 tamin’ny 28 Jolay 2021 manome alalana ny fankatoavana ny fifanarahana fampindramam-bola entina hamatsiana ny dingana faharoan’ny tetikasa fanatsarana ny fisitrahana angovo sy ny fotodrafitr’asa hanaovan-dàlana anatin’ny Tendrp tambatra hoan’ny fitomboan-karena andiany faharoa miompana amin’ny angovo)(Pôles Intégrés de Croissance ) (PIC 2-énergie), nosoniavin’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny tahirim-bolan’ny OPEP ho an’ny fampandrosoana Iraisam-pirenena (OFID) tamin’ny 4 Martsa 2021. Volavolan-dalàna laharana faha-014/2021 tamin’ny 28 Jolay 2021 manome alalana ny fankatoavana ny fifanarahana fampindramam-bola entina hamatsiana ny tetikasa fanovàna ho an’ny fitomboan’ny toe-karena iaraha-misalahy (PIC3), nosoniavin’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny Fikambanana Iraisam-pirenena ho an’ny Fampandrosoana (IDA) tamin’ny 21 jolay 2021.

Sitraka Rajaonarivony

Laisser un commentaire