Algérie : Nahafaty olona maro tao Kabylie ny afo aateraky ny hafanana
Efa manodidina ny telopolo ny trangana hay tao avaratr’i Algérie nanomboka ny alatsinainy teo. Anisany tena voakasika amin’izany i Kabylie, toerana be mponina indrindra aoan-toerana izay nahafaty olona tsy latsakyny dimy raha ny tatitra nataon’ny mpamonjy voina ao an-toerana.
Olona roa tao Aït-Yenni, iray hafa tao Yakourène ary ny farany tao Azazga. Ankoatra ireo toerana ireo dia mbola hiaran’ny afo ihany koa i Bouira, Sétif, Khenchela, Guelma, Béjaïa, Bordj Bou Arreridj, Boumerdès, Tiaret, Médéa, Tébessa, Blida ary Skikda.
Ny fitsokan’ny rivotra mafy no mampiparitaka vetivety ny afo ka manasarotra ny asan’ny mpamonjy voina hoy Youcef Ould Mohamed mpikarakara ny ala an-toerana. Ny talata teo dia efa nahatratra 46°C ny mari-pana tao an-toerana.
