États-Unis : Nahatratra ny tanjon’ny amin’ny fanaovam-baksiny ny firenena
Nametraka fanamby hahavita vaksiny fanefitry ny Covid ny 70% ny olon-dehibe tao amin’ny firenena ny filoha américain Joe Biden mandrapaha tonga ny fety nasionaly américain tamin’ny 4 Jolay. Tsy nahatratra io tanjona io nefa ny tao an-toerana raha tsy iray volana taty aoriana noho ny fianakiny ny Delta variant izay nampitombo an’isa ny marary.
Tratra tany amin’ny fiandoahan’ny volana teo kosa nefa izany tanjona izany ankehitriny. Namoka antontan’isa ny ivo-toerana fisorohana sy fanaraha-maso ny aretina (CDC) izay masoivoho misahana ny fahasalamam-bahoaka ao États-Unis fa 60,6% ny olon-dehibe ary 49,7% tambatry ny mponina no vita vaksiny tanteraka.
