Israël : Nanemotra ny fandroahana ireo Palestiniens ho any Jérusalem Atsinanana ny fitsarana
Nahemotry ny fitsarana tampony israélien ny fanapaha-kevitra handroaka ireo fianakaviana palestinien hifindra monina ao amin’ny faritr’i Sheikh Jarrah ao Jérosalem. Efa niteraka fifandonana feno herisetra tao an-toerana izany ny volana mey teo.
Fianakaviana palestinien efatra nipetraka tao Sheikh Jarrah, ao amin’ny sehatra Palestinien any Jérosalem nogiazan’i Israël no nifandray an-tsokosoko tao Israël tamin’ny 1967. Nampiakarina ny fitsarana tampony izy ireo taorian’ny nanapahan’ny fitsarana ambaratonga voalohany ny famindrana azy ho mpifindra monina israël.
Ao Israël nefa dia misy lalàna raha afaka mana-porofo ny fipetrahany tao Jérosalem Atsinanana talohan’ny ady tamin’ny taona 1948 ny jiosy dia mahazo mangataka ny hamerenany ny zon’izy ireo saingy tsy mihatra ho an’ny Palestinien kosa izany. Miandry ny fampakarana vaovao izy ireo ankehitriny.
