ActualitésTsidika

Alasora : Avy eny amin’ny fokontany Ankadindratombo no mitatitra rano ny mponina

Manoloana ny olana sedrain’ny mponina ao amin’ny tampon-tanàn’Alasora, efa amam-bolana maro izay, mahakasika ny tsy fisian’ny rano, dia teny amin’ny fokontany Ankadindratombo no nitatitra rano ireo mponina ao an-toerana. Izay no vahaolana manoloana ny tsy fisian’ny rano hiainan’izy ireo.

“Ho famonjena ny mponina eny amin’ireo fokontany tena tsy misy rano, toa ny fokontany Alasora sy Miadana, dia fitaterana ny rano avy eny amin’ny fokontany Ankadindratombo no natao nanomboka ny alarobia teo. Vahaolana vonjimaika ihany izany satria manampetra ihany saingy mila vonjy ny vahoaka, mila rano” hoy ireo avy amin’ny kaominina Alasora.

“Raha ny zava-misy mahakasika ny olan’ny rano dia efa tena mampiteny ny moana mihitsy. Efa maro ny fitarainana nalefa tamin’ny tomponandraikitra saingy tsy mbola voavaha ny olana mandrak’ankehitriny. Tsy voahaja intsony ny zon’olombelona, saingy hisaorana ny tomponandraikitry ny kaominina manampy sy mitady vahaolana miaraka amin’ny mponina hatrany” hoy i Tolotra, mponina ao Alasora.

Raha tsiahivina, efa amam-bolana maro ny tsy nandeha ny rano tao amin’ny kaominina Alasora. Efa nisy ny fitarainana natao tany amin’ny tomponandraikitry ny Jirama, fa tsy mbola nisy ny vahaolana maharitra nentina namahana izany. Tsy mihato anefa fa mbola mitohy ny fangatahana ny vahaolana ataon’ny mponina sy ny kaominina.

Laisser un commentaire