Ankadikely Ilafy : Nozaraina chocolat ireo zanaky ny mpiasa ao amin’ny kaominina
Nozaraina sokola ireo zanaky ny mpiasa tao amin’ny kaomina Ankadikely Ilafy, ho fanamarihana ny fankalazana ny noely tao an-toerana. Ny sabotsy lasa teo no nanatontosana izany, izay niarahan’ireo fikambanan’ny mpiasa ao amin’ny Fimpicrai nisalahy.
« Nosafidiana manokana ho andro nifampizarana ny mamy ny tontolo androany ho an’ny teto amin’ny Kaominina Ankadikely-Ilafy. Nomena » Chocolat » avokoa araka izany ireo zanaky ny mpiasa amin’izao fetin’ny noely izao » hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana.
“Mariky ny fifankatiavana sy ny firaisan-kina ny mamy. Hisaorana ny tomponandraikitra amin’ny fikarakarana tahaka izao fa mendrika ireo tolorana azy tokoa” hoy ireo avy amin’ny fikambanana.
Anisan’ny manamarika ny noely tokoa ny vatomamy sy ny sokola ho an’ny ankizy, ankoatra ny fitafy sy ny kilalao. Manome hafaliana sy haravoana ho an’ny tsirairay avokoa izany rehetra izany.
Manitra Ramanantsoa
