ActualitésTatitra

Algérie : Raràn’ny mpitondra ny hanaovana fihetsiketsehana

Noraràna fanintelony indray ny fihetsiketsehana nataon’ny mpianatra any Alger. Mpanao fihetsiketsehana marobe sy mpianatra mpanohitra any Hirak no nosamborina. Raha ny isa avy amin’ny Firenena mikambana dia nahatratra hatramin’ny 70 izy ireo. Nisy tamin’izy ireo no efa navoaka ny faran’ny herinandro lasa teo. Ny talata 11 may lasa teo, nanambara ny mpitondra tenin’ny Kaomisaria ambony misahana ny zon’olombelona, Marta Hurtado, tamin’ny governemanta algerianina ny mba hanatsaharana izao fihetsiketsehana izao, izay hita fa manitsakitsaka ny zon’olombelona amin’ny fanehoan-kevitra.

Laisser un commentaire