Maurice : Mpianatra iray mbola tsy niatrika fanadinana no voan’ny Covid-19
Mpianatra iray no tsy maintsy natoka-monina niatrika ny fanadinana satria voan’ny Covid-19 izy. Ny rainy izay efa voan’ny valan’aretina mantsy no niantso ny tompon’andraikitra fa tsy mbola nanao fanadinana ny zanany vavy izay 17 taona mipetraka any amin’ny bebeany. Namoaka fanambarana mikasika ity tranga ity ny avy ao amin’ny Minisiteran’ny fahasalamana any an-toerana ny talata 11 may lasa teo fa efa voaporofo tao amin’ny toerampikarohan’ny Minisitera izany ny maha mararin’ny Coronavirus ity rainy ity. Ny 10 may lasa teo no nahafantarana fa mitondra ny aretina ny rainy. Nentina nanao « quarantaine » avy hatrany ny fainakaviany ny 11 may fa ity zanany vavy ity kosa nipetraka tany amin’ny renibeny. Nampilaza àry ny avy ao amin’ny Minisiteran’ny fahasalamana ny avy ao amin’ny fanabeazana mikasika ny mpianatra iray tonga nanao fanadinana tao amin’ny ivontoera-mpampianarana. Ary fantatra tamin’izany fa zanak’ilay lehilahy voan’ny aretina ny 10 may ity zazavavy ity. Nentina avy hatrany tamin’ny ivontoeram-pitsaboana marary ilay zazavavy ary nampanaovina fanadinana manokana. Efa napetraka ny lamina mba hiatrehan’ny mpianatra hafa ny fanadinana ara-potoana.
