« Volana iray, mpanoratra iray » : An’i Fetra Azazel ny sehatra.
I Fetra Azazel indray no voafidy ho resahan ao amin’ny Tranombokim-pirenena ao Anosy mandritra ity volana aogositra ity. Anisan’ny programa napetraky ny Ministera ny serasera sy ny kolon-tsaina ho fampahafantarana sy ny fanomezan-danja ny mpanoratra Malagasy ny « Volana iray, mpanoratra iray ».
Herifetra Rafanomezantoky no tena anaran’i Fetra Azazel ary avy any Vatovavy Fitovinany ny tovolahy. Ny taona 2013 izy no nanomboka nanoratra fa ny taona 2018 ny tenany no niditra teo amin’ny fampahafantarana ny tenany nandritran’ny fampirantiany ny asa sorany teo anatrehan’i Avelo Nidor sy Zo Maminirina izay poeta Malagasy matihanina.
Efa manana asa soratra maro izy toy ny: Fitia maroloko, Fitia mainty fo, Manda Gasy Tsara.Ankoatra izay, lohalarana ao amin’ny Faribolana Sandratra ao Manakara izy.
Ilaina tokoa ny fanomezana sehatra ireo tanora mpanoratra Malagasy. Izy ireny anisan’ny hitondra avo ny anaram-pirenena eo amin’ny resaka kanto sy haisoratra. Tsara ny manosika azy ireny mba afahany mampahafantatra ny tenany ka mety hanokatra lalana ho azy ireny.
Tsangy Randriamampianina
