Olona 7 tratra tamin’ny fidorohana zava-mahadomelina
Olona 7 indray no saron’ny polisy nidoroka zava-mahadomelina izay tena mahery vaika, tsy inona fa ny « methamphetamine » no tratra tamin’ireto olona voasambotra ireto teny Ankazomanga.
Mitohy hatrany ny fanenjehana ireo mpidoroka sy mpivarotra zava-mahadomelina eto an-drenivohitra.Ny alatsinainy lasa teo no saron’ny ny olona 7 izay mpidoroka zava-mahadomelina atao hoe « amphetamine cristalisé » na koa « crystal meth » tetsy Ankazomanga izay ao amin’ny sampandraharaha momban’ny zava-mahadomelina ao amin;ny polisy, nahitana vehivavy telo sy lehilahy telo moa izy ireto ary eo anelanelan’ny 23 hatramin’ny 40 taona izy ireto mbola nahatratrarana 1,7 grama an’ilay « crytal de methamphetamine » izay nifono tao anaty harona tsilena kely ihany moa izy ireto tamin’ny fotoana nisamborana azy ireto.
Maro ireo olona manao fitaraina amin’ny firongatry ny olona mivarotra sy midoroka zava-mahadomelina eto an-drenivohitra amin’izao fotoana izao ary manentana hatrany ny polisy handray andraikitra mahakasika izany. Ny ao amin’ny sampan-draharaha momban’ny zava-mahadomelina kosa dia nanamafy fa ho hentitra ny sazy ho an’ireo izay tratra midoroka sy mivarotra zava-mahadomelina.Rehefa natao ny fanadihadiana mahakasika ny vidin’itony zava-mahadomelina itony dia nilaza ireto mpisehatra amin’izany fa 200 000 ariary ny graman’izy ireny.
Mila fanaraha-maso tanteraka ny trangan-javatra toy itony satria tena manimba tanora sy ankizy maro ny fisian’ireny zava-mahadomelina ireny indrindra fa mitarika ny olona mpidoroka an’izy ireny hanaotao foana toy ny mangalatra sy ny fanolanana sns… Ny eo anivon’ny polisy misahana ny trangan-javatra toy itony dia efa manao izay tratry ny heriny mba hanafongarana ireo olona misehatra amin’ny zava-mahadimelina.
Anja Raharimalala
