Mivaky roa ve ny mpanohitra ?
Tsy tonga teny amin’ny Magro Behoririka i Hanitra Razafimanantsoa sy i Fidele Razara Piera tamin’ilay fihaonan’ny mpanohitra nantao teny noho ny disadisa misy eo amin’izy ireo sy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana.
Iray volana lasa izay no nanao fivoriam-be antoko RMDM ka tsy tonga ireto solombavambahoaka roa ireto izay fanehoan’izy ireo fa misy olana eo amin’izy bireo sy ny antoko ary mbola nasehon’izy ireo izany ny 10 aogositra lasa teo izay andro nankalazana ny faharoa taonan’ny nitsangananan’ny antoko RMDM izay nokarakarain’ity farany sy ny antoko politika mivondrona ao amin’ity antoko ity.
Raha ny lazain’ny mpikambana sasantsasany, ny antony ny disadisa eo amin’ireto solombavambahoaka ireto sy ny antoko izay misy azy ireto dia ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny lehiben’ny mpanohitra izay tsy mifanaraka amin’ny eritreritr’i Hanitra Razaminanatsoa sy Fidele Razara Piera. Mikasa ny hitazona ity toerana lehibe ao amin’ny antoko mpanohitra ity moa ireto farany saingy tsy mbola nisy ny fanambarana manamarina izany ary tsy mbola naneho ny heviny koa ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana mahakasika izany. Misy iray amin’ireto solombavambahoaka ireto koa no manampaniriana ny hiditra ao amin’ny governemanta kanefa ny antoko misy an’izy ireto nanambara fa tsy hiditra ho isan’ny mpikambana ao amin’ny governemanta hoy ny loharanom-baovao.
Raharaha manokan’ny antoko mpanohitra izany olana misy eo amin’izy ireo izany saingy ny fialan’ireto solombavambahoaka roa ireto ity antoko ity dia hiteraka fahaverezana lehibe na ho an’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana na eo amin’ny TIM sy ny RMDM. Mbola tsy fantatra mazava koa moa ny tena anton’ny disadisa misy eo amin’izy ireo na tena misy olana tokoa ve? Sa manao vazaha mody miady fotsiny ry zareo ?
Anja Raharimalala
