ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Nisy ny fandraisana ara-teknika vonjimaika ny EPP Masinandriana

Nisy ny fandraisana ara-teknika vonjimaika (Réception technique provisoire) ny EPP Masinandriana, ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy, tamin’ny herinandro lasa teo. Ireo efitrano fianarana vaovao ho an’ny « préscolaire » no voakasik’izany fandraisana izany, raha ny voalaza.

«Manaraka ny fenitra sy ny fepetra amin’ny fandraisana ireo mpianatra madinika ny foto-drafitr’asa amin’izao fotoana izao ary efa misy ihany koa ny trano fidiovana (Toillette). Mbola misy moa ny asa pitsopitsony amin’ny famitana tanteraka ny efi-trano alohan’ny fandraisana azy tanteraka » hoy ireo avy amin’ny kaominina.

«Etoana moa dia hisaorana ireo niara-niasa sy niara-nientana tamin’ny fanamboarana izao efitranon’ny sekoly izao. Ireo mpiara-miombon’antoka isan’ambaratongany, indrindra fa ny Fondation AXIAN izay manohana ara-bola izao asa izao sy ny mpiara-miombon’antoka aminy ny KOZAMA ary orinasa nanao ny asa Risah sarlu » hoy hatrany ny avy amin’ny kaominina.

Anisan’ny dingana lehibe ho an’ny EPP Masinandriana tokoa izao fahavitana sy fandraisana vonjimaika izao. Manome fananetanana sy fahavitrihana ho an’ny mpianatra sahady ny fahaitana ireo zava-bita ao amin’ny sekoly. Raha tiana tokoa ny hampandroso dia anisan’ny laharam-pahamehana ny lafin’ny fampianarana.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire