ActualitésTsidika

13 May: Nisy ny tsiahy ny faha 50 taonan’ny tolona 1972 

Nitsingerina tamin’ity taona ity ny faha 50 taonan’ny tolona natao tamin’ny 1972. Nisy ny fankalazana izany teny Antaninarenina nanomboka ny 10 May hatramin’ny 12 May. Ny Ilontsera sy ny CERCOM ary ny zana-tsehatra Haifiarahamonina ao amin’ny Fakiolten’ny EGS no niara-niasa nikarakara izany ho tsiahy ny tolona natao teny amin’ny kianjan’ny 13 May. Betsaka ireo nentina nanamarihana izany toy ny seho an-tsary, fanentanana sy fampisehoana isan-karazany, ny ady hevitra sy ny fanehoan-kevitra. Nisy ihany koa ny fizarana loka ho an’ny mpandresy tamin’ilay fifaninana horonan-tsary mirakitra ny zava-nisy tamin’izany izay nibatan’ny Institut International des Sciences Sociales loka. “Nentina nanampiana ireo mpianatra ho mpanao gazety hahay hamakafaka ny zava-misy dieny mbola mpiofana ity hetsika ity. Nampahafantarina ny olona ihany koa ny zava-nisy tamin’izany andro izany” hoy ny avy ao amin’ny CERCOM, izay Ivon-toeram-pikarohana mikasika ny ita sy ny serasera. “Tena nanampy betsaka anay mpianatra tokoa ity hetsika ity. Nahafahanay nandalina kokoa ny zava-nisy ara-tantara tamin’izany andro izany. Sady nahazo loka izahay no nahazo traikefa. Misaotra indrindra ny mpikarakara” hoy i Diamondra, avy ao amin’ny Institut International des Sciences Sociales. Tsy vitsy ireo tonga teny an-toerana nizaha ny zava-nisy indrindra ireo mpianatra mikasika ny Ita sy ny serasera. Zava-dehibe tokoa ny fahalalana ny tantara. Ny asan-tserasera no hantenaina hampahafantatra izany bebe kokoa. 

Laisser un commentaire