Toamasina : Mpamaky trano voasambotry ny polisy
13 May, 12h00. Rangahy iray malaza amin’ny famakiana trano no voasambotry ny polisim-pirenena ny alakamisy teo tamin’ny 9 ora maraina, tao Mangarano II Plle 11/47 C7 Toamasina. Ireo tompon-trano mandeha miantsena no tena lasibany. Andrasany handeha izy ireo mba ahafahany manao ny asa ratsiny milamina. Tra-tehaka kosa izy omaly, efa nambenan’ireo polisy moa ny tenany.
