ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Miisa 700 mahery no manantanteraka ny asa tana-maro

Olona maherin’ny 700 no efa nanantanteraka ary mbola hanantanteraka ny asa tana-maro izay atao ao anatin’ny kaominina Ankadikely-Ilafy. Mandritra ny telo andro no vinavinaina hanantanterahina izany.

Tao amin’ny fokontany Masinandriana no nanombohana izany asa tana-maro izany ny talata teo, ary mifarana androany. Ny asa dia hitohy any amin’ireo fokontany hafa, anisan’izany Ambohibe sy Belanitra. Ho fintsinjovana sy fanomezana asa ary ho fanamaivanana ny fahasahiranan’ireo mponina no anton’izao hetsika izao, hoy ny ben’ny tanàna Rija Rajaonah nandritra ny lahateny izay nataony. Miezaka mitady ny hevitra hanampiana hatrany ny vahoaka moa no tena tanjony ary miara-miezaka ho amin’ny fampandrosoana ao anaty fahasamihafana no tarigetrany.

Nanolotra vary telo kilao sy voamaina iray kilao avy ho an’ireo olona izay manantanteraka ny asa tana-maro moa ny avy ao amin’ny sampandraharaha misahana ny Asa Sosialy sy ny Politika eo amin’ny fiadidiana ny Repoblika (DASP). Isaorana noho izany ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny DASP amin’ny fanomezan-tanana ary isaorana ihany koa ny Ben’ny Tanana sy ny ekipany mitady mandrakariva ny mahasoa ny vahoakan’Ankadikely-Ilafy, hoy ireo mponina avy eny an-toerana.

Famenontsoa Rajerison

Laisser un commentaire