ActualitésTsidika

Ambatolampy : Misy mpivarotra basy an-tsokosoko tratra

Voasabotra tao Ambatolampy ireo roalahy mpisera basy izay samy any Menabe ny talata teo, araka ny angom-baovao. Marihina efa nisy tratra ihany koa ireo mpisera basy teo aloha.

Rehefa nosavaina ny trano nitobian’izy ireo, izay tao amin’ny rafozany ihany, tao Tsarazaza Ambatolampy, dia nahatratrarana basy iray tsy ara-dalàna niaraka tamin’ny taratasy hosoka ihany koa. Nitohy hatrany ny fanadihadiana ka fantatra fa avy any Mahabo no nivoahan’io basy io. Noho izany dia nampitaina tany amin’ny vondron-tobim-paritra zandarimaria Morondava ny angom-baovao rehetra mahakasika izany, mba ahafahany manohy ny fikarohana.

Nahatratrarana akora sy fitaovana fanamboarana bala sy basy vita gasy, fanamboarana hosoka ny laharan’ny basy ary vodibasy maro be tsy ara-dalàna ihany koa tao amin’izy roa lahy. Mitohy hatrany ny fanadihadihana.

Famenontsoa Rajerison

Laisser un commentaire