Ambohidrabiby : Hisy ny « Garden party » iarahana amin’ny taranak’Ambohidrabiby sy ny namana eny Ambohidrabiby Hasin’Imerina
Amin’ny sabotsy faha-12 novambra izao no hanaovana ny « garden party » ho an’ireo taranak’Ambohidrabiby. Araka ny voalaza, efa fanao isan-taona, isaky ny volana novambra izy io, izay hanatanterahana ny fitsangatsanganana sy fiarahana miala voly ho an’ireo taranaka avy ao Ambohidrabiby. Eny antampon’Ambohidrabiby no hanatanterahana izany ho an’ity andiany ity.
« Hanomboka amin’ny 09 ora maraina ka hatramin’ny 05 ora hariva ny fotoana. Hisy hetsika maro toy ny fitsidihana an’Ambohidrabiby ara-tantara miainga eo amin’ny Rova sy ny manodidina, fialamboly, soavaly hazo, fiarahana mihira, mikorana, milalao, mandihy. Hisy ny fifaninana pétanque isan-taranaka ka ny 07 novambra no faran’ny fisoratana anarana hoan’ ny taranaka handray anjara » hoy ny mpikarakara ny hetsika.
« Anisan’ny fotoana iray hanomezana lanja ny maha an’Ambohidrabiby io fotoana io. Hisy ireo fampirantiana mahakasika ny tantara na vakoka tranainy izay nanamarika manokana an’Ambohidrabiby. Eo ihany koa ny fanomezana sehatra ny kanto malagasy amin’ny alalan’ny seho na hetsika manokana amin’ny alalan’ny sora-dihy na ny tononkalo » hoy hatrany ireo mpikarakara.
Anisan’ny mamelona ny tantara tsy maty vonoina ny hetsika tahaka izao. Hahafahan’ireo taranaka aty hafara mahafantatra ny tantara sy ny niandohana. Hirariana ny mba hisian’ny hetsika ho an’ireo vohitra hafa mba ho famelomana ny kolontsaina sy hahafantatarana ny tena tantara nisy.
Manitra Ramanantsoa
