Fifamoivoizana : Nitrangana lozam-pifamoivoizana teny Fenoarivo amin’ny lalam-pirenena voalohany
Hita matetika eny amin’ny lalam-pirenena tato ho ato ny lozam-fimaoivoizana toy ity niseho teny amin’ny lalam-pirenean voalohany ity. Teo Fnoarivo no nisehoan’izany fifandonana teo amin’ny moto sy fiara izany. Tsy fantatra mazava ny fototry ny loza fa samy nahenoana fofona toaka ireo mpamily rehefa nojerena. Olona 3 no tra-doza tamin’izany ary tsy nisy maty fa naratra avokoa izy telo ireo.
« Samy naratra mafy avokoa ireto olona telo ireto. Ny iray vaky andrina ary potika tanteraka ny akihibeny. Mbola afaka nitsangana kosa ny iray fa dia tena nanao « S » ny tanany.Ilay iray farany kosa tapaka ny feany. Efa nalefa nitsabo tena moa izy ireo taorian’izao loza izao », hoy ny mpitandro filaminana avy ao Fenoarivo.
« Samy tompon’andraikitry ny tenany ny olombelona tsirairay na mpamily fiara izy na mpamily kodiaran-droa. Tsy tokony hampiarahana ny fisotroana zava-mahadomelina sy ny familiana satria mitera-doza tahaka izao hatrany izany. Izany indrindra no ilaina ilay fitiliana zava-mahadomelina ireo mpamily amin’ny alina izay hataon’ny mpitandro filaminana satria izany no antony lehibe indrindra mampitombo ny lozam-pifamoivoizana rehefa zahana », hoy ny Commandant de Brigade avy eo amin’ny Zandarimariam-pirenena Alasora, nanazava ny heviny.
Nanodikodina im-pito ny lelany ny Ntaolo raha niteny hoe tandremo fa lahy tokana ny aina. Zavatra kely tsy hampoizina dia mety hitarika amin’ny fahafatesana. Ny fahamailoana sy ny fitandremana hatrany no tokony hatao ambony indrindra mba hahafahana miaro tena.
Miora Raharisolo
