ActualitésTatitra

Etats-Unis : Tovolahy roa voampanga ho namono ny mpampianatra azy

Tovolahy roa 17 taona antsoina hoe Willard Miller sy Jeremy Goodale nianatra tao amin’ny lycée ao Iowa no voampanga namono ny mampianatra fiteny Espagnol azy ireo, Nohema Graber. Antony, nomen’io mpampianatra io naoty ratsy izy roa lahy.

Raha ny fanazavan’ireo manam-pahefana dia novelesin’ireo tovolahy ireo tamin’ny hazo fanaovana « baseball » tao amin’ny valan-javaboahary iray io mpampianatra 66 taona io. Hita tao anaty borety nisarona labasy sy ny hazom-piarandalamby ny razana ny ampitson’ny tranga.

Hotsaraina toy ny olona efa ampy taona amin’ny fitsarana roa samihafa ao Etats-Unis kosa i Willard Miller sy Jeremy Goodale raha ny tatitra. Nirehareha tamin’io heloka bevava nataony io izy roa lahy hoy ireo manam-pahefana. Navoakany tamin’ny tambajotra sosialy Snapchat mihitsy izany kanefa mbola tsy mety miaiky heloka manoloana ny fitsarana izy ireo.

Laisser un commentaire