Europe : Mifandray amin’ny fiakaran’ny fihafanan’ny tany tokoa ny tondra-drano niseho tao Allemagne sy Belgique
Rehefa nanao fanadihadiana ny World Weather Attribution (WWA) izay mampivondrona ireo manam-pahaizana avy amin’ny toeram-pikarohana samihafa maneran-tany dia namaritra fa mifandray amin’ny fiakaran’ny fihafanan’ny tany ny tondra-drano niseho tao Allemagne sy Belgique ny 14 sy 15 jolay teo.
Ny olombelona no fototr’ity fiakarana ity raha ny tatitra nivoaka ny talata teo. Mampitombo ny habetsahan’ny orana tao anatin’ny iray andro izany raha ny fanazavana izay eo anelanelan’ny 3 % sy 19 %. Tsiahivina fa maherin’ny 200 ny maty nandritra ity loza voajanahary ity.
