ActualitésTsidika

Voasazy ireo mpivarotra hani-masaka tsy manana toeram-pivoahana eny Ampasampito

Voarakitra ao amin’ny fehezam-pitsipika monisipaly misahana ny fikoloam-pahasalamana ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny tokony hananan’ny « gargottes » toeram-pivoahana ho an’ireo mpanjifa raha ny tena marina dia ny trano fonenana sy ny trano ampiasai’nny olona rehetra no tsy maintsy manana toeram-pivoahana ho fitandroana ny fahadiovana.

Nisy ny fanaraha-maso nataon’ny tale misahana ny fidiovana sy ny fanadiovana niaraka tamin’ny polisy. Hita fa tsy manana toeram-pivoahana avokoa ny ankamaroan’ireo mpivarotra hani-masaka eny Ampasampito. « Tsy maintsy nampiharina ny sazy amin’ny tsy fanarahana ny CMH ka nisy ireo mpitantana “gargotte” nampandoavina lamandy » hoy ny avy ao amin’ny Polisy monisipaly. « Nisy kosa anefa ireo nomena fampitandremana fotsiny, tao ihany koa ny nomena taratasy fampiantsoana hihaona amin’ny tompon’andraikitra eny amin’ny Kaominina » hoy kosa tale misahana ny fidiovana sy ny fahadiovana eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.

« Izahay tsy nahafantatra izay lalàna any fa nanohy ny fiainana foana, raha tsy nisy izao fampitandremana izao tsy taitra izahay » hoy i Ninah, mpivarotra. Nilaza kosa anefa ny avy ao amin’ny Kaominina fa efa nisy ny fampilazana sy ny fanentanana natao nialoha ny fidinana ifotony.

Marihina fa tsy azo atao latsaky ny 3 metatra miala amin’ny sisin-dalana na ny faritry ny tanàna ny toeram-pivoahana ; ary mila diovina foana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire