ActualitésTsidika

Ambilobe : Afaka manatanteraka ny « fandroana » amin’izay

Hanatanteraka ny « fisehagna » indray ny Antakarana ao Ambilobe ny 12 aogositra hatramin’ny 14 aogositra rehefa niato nandritra ny roa taona noho ny fisian’ny valanaretina.

« Fisehagna » na fandroana, ilay kolontsaina any amin’ny faritra avaratra atao isaky ny volana aogositra. Sokajiana ho Volana masina io volana aogositra io ho an’izy ireo raha toa ka volana voaozona ny jolay. Ny « Fisehagna » dia fankalazana nentim-paharazana ny fiainana ara-tsosialin’ny foko Antakarana izay nianianan’ny mpandray anjara ny tsy fivadihana, ny fanekena, ny fahatokiana ary ny fankatoavana ny mpanjaka fanao ary mangataka ny fitahian’ireo andriamanitra sy razana.

Ao amin’ny kaominina Antsohimbondrona no hizotra io fandroana io amin’ity taona 2021 ity. Telo andro no hiara-hangata-pitahiana ao ireo olona aman’arivony maro isam-paritra andrasana amin’izy ity. Na ny avy amin’ireo nosy rahavavy : Comores, Mayotte, La reunion aza liana amin’ity fandroana fa kosa mety ho vitsy ihany izy ireo no ho tonga nohon’ny fikatonan’ny sisin-tany. Hosokafana amin’ny « Tsindrimandry » ny alin ‘ny 12 aogositra ny fomba : dihy sy hira nentim-paharazana no mandravaka azy io. Ny maraina ny 13 aogositra kosa no manomboka ny fandroana eny an-dranomasina ary faranana amin’ny fangataham-pitahiana sy fanadiovana eny amin’ny vatolampy masina.

 Efa vonona Ampasinantenina handray ny fisehagna. « Izahay zandary efa vonona amin’ny fampandriana ny tany »,hoy ny zandary iray. « Efa miandry ireo olona rehetra hanatrika azy ity izahay » hoy ihany koa i Soa, izay tompon’ny hotely fandraisam-bahiny any an-toerana. Ireo mponina kosa dia faly amin’ny ahafahany manatanteraka ny fandroana amin’izay satria efa ela no tsy nangata-pitahiana sy nifankahita.

Hampiakatra ny toe-karena eny an-toerana izao fahatongavan’olona maro izao, handray vahiny ny hotely, hiasa ny fiara-pitaterana maro, hiroborobo ny sehatra ara-barotra. Mbola maro ny any amin’ny faritra no manaja sy manatanteraka ireo fomban-drazana eto Madagasikara. Ilaina ihany koa ny manaparitaka ireny fomba ireny mba ho fantatra sy hain’ny Malagasy rehetra.

Tsangy Randriamampianina

Laisser un commentaire