Ankadikely Ilafy: Nisy ny fitsirihana sy fampahafantarana ny orinasa Minimad Sarl Antsahamarofoza
Nanao fitsidihana ifotony tao amin’ny orinasa iray ao amin’ny fokontany Antsahamarofoza, kaominina Ankadikely Ilafy, tamin’ity herinandro ity, ireo tomponandraikitra avy amin’ny ministeran’ny fampiroboroboana ny indostria sy ny ministeran’ny tontolo iainana ary ny avy amin’ny ofisy nasionalin’ny tontolo iainana (ONE). Nisy ny fitsirihana momba ity orinasa ity sy fampahafantarana ny mponina tao an-toerana ny mahakasika izany.
« Nisy ny fanadihadiana akaiky ny mety ho fiantraikany ara-tontolo iainana sy ara-tsosialy ny fihorenan’ity orinasa ity eto an-toerana mba ahafahany mahazo alalana hiodina ara-dalàna. Ankoatra izay dia nampahantarina ny mponina tety an-toerana ihany koa ny mombamomba ny orinasa sy ny fomba fiasany ary ny vokatra vokarin’izy ireo » hoy ireo tomponandraikitra.
« Nihaino sy namaly ny hetahetan’ireo mponina ny tomponandraikitra nandritra ny fotoana ity. Hisy moa ny tombotsoa mivantana amin’ny fampananan’asa ny mponina ho an’ireo tandrify azy. Hisy ihany koa ny tombotsoa tsy mivantana fa hiteraka asa ho an’ireo mponina manodidina » hoy hatrany ny fanazavana.
Ny orinasa Minimad sarl moa dia orinasa iray ao amin’ny fokontany Antsahamarofoza, misehatra amin’ny fanamboarana sy famoroana fiara amin’ny endriny kely na « minatures ».
