Ady eo amin’ny Israel-Hamas : Nisehoana fanafihana nahafatesana olona iray, olona valo naratra
Nisehoana fitifirana indray tao Cisjordanie. Olona iray no namoy ny ainy ary valo hafa no naratra vokatry ny tifitra nahazo azy nandritra ny fitifirana nataon’ireo mpampihorohoro avy amin’ny tafika Israelianina, omaly alakamisy, tao amin’ny tanànan’i Maale Adumim, Cisjordanie izay any atsinanan’i Jerosalema. Tao amin’ny lalana mampitohy amin’ny Jerosalema, nivoaka ny fiara ireo olona telo, mpampihorohoro, ary nitifitra ireo fiara tao anaty toham-boivoy. Nosamborina avy hatrany ireo mpampihorohoro ireo, tafatsoaka ny iray tamin’izy ireo saingy fotoana fohy taorian’izany dia voasambotra ihany koa. hatramin’ny 07 oktobra niatombohan’ny ady eo amin’ny Israel sy Hamas ity moa dia efa tafakatra hatramin’ny 29.313 ireo olona namoy ny ainy, raha ny tatitra navoakan’ny ministeran’ny fahasalamana any Gaza.
