SocialTatitra

Etats-Unis : Zazavavy kely iray maty voatototry ny tora-pasika

Zazavavy kely iray 5 taona, no maty voatototry ny fasika izay nolavahany tao amin’ny tora-pasiky Floride, ny talata tolakandro. Tao Lauderdale-by-the-sea no nisehoan’ny loza. Ny zokiny lahy, fito taona no niara-nilalao taminy teo amin’ny tora-pasika ary nangady fasika izy ireo, tokony teo amin’ny iray metara teo ny alaliny. Tampoka teo anefa, nirodana ilay fasika ka ilay zazavavy kely no tototra tanteraka, raha toa ka tototra hatreo amin’ny tendany ity zokiny. Niray hina tamin’ny fanesorana ny fasika ireo olon-dehibe teny amin’ny manodidina tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza. Fotoana fohy taorian’izay no tonga ireo mpamonjy voina sy ny mpitandro filaminana namonjy ity zazavavikely ity saingy tsy nahitana aina intsony na dia nentina tany amin’ny hopitaly aza.

Laisser un commentaire