Sabotsy Namehana: Toka-trano am-polony narodan’ny orinasa sinoa
Trano miisa 15 eo no tratran’ny fandroadanana, omaly teny Bemahatazana, fokontany Antsofonondry, kaominina Sabotsy Namehana. Ny alarobia vao nisy ny fampahafantarana ireo mponina fa hanatanteraka didy fandravana ny trano ny avy amin’ny orinasa sinoa nahazo ny tany, arak any voalaza.
“Tany mirefy manodidina ny 7 ha eo io tany io, ary fianakaviana iray mpihavana no mipetraka ao. Tanindrazana ary misy fasan-drazana mihitsy. Tany amin’ny taona 1973 tany no nahavery ny taratasy momba ny tany, rehefa nisy namaky ny trano iray teny an-toerana. Ary io olona nangalatra io no nivarotra ny tany tamin’ny olona mpanambola iray” hoy ireo olona teny an-toerana.
“Efa nisy ny fifanenjehina ka nigadra io voalaza ho nivarotra ny tany io, saingy efa tsy nisy azo natao intsony momba ny tany na dia niady teny amin’ny fitsarana aza izahay. Manana taratasy ara-dalàna ny orinasa manantanteraka ny didy eny an-toerana, saingy mitaky ny hijerena ny zo maha olona izahay fianakaviana rava fananana” hoy hatrany ny fanazavana.
Marihina moa fa irony fiara lehibe, bulldozer irony no nandrava ny trano teto an-toerana. An-dranomaso ary nisy ireo safotra nandritra izany. Tsy afa-nanoatra ireo rava trano ka mangataka ny fanjakana mahefa, mba handray fepetra sy hijery ny momba azy ireo manoloana izany.
