ActualitésTsidika

Kolontsaina : 14 taona lasa izay no nahalasan’i Georges Andriamanantena

I Georges Andriamanantena, fantatry ny maro amin’ny anarana maha mpanoratra azy hoe Rado. Tsy ny asa soratra ihany anefa no nataon’i Rado fa efa mpanao gazety ihany koa ankoatra ny maha poeta sy mpanoratra azy. Teraka ny 01 oktobra 1923 tao Antananarivo izy ary maty ny 15 Septambra 2008 tao Antananarivo.

Izy no faralahy amin’ireo zanaka dimy nateraky ny ray amandreniny. Tao Faravohitra izy no nianatra nanomboka ny taona 1929 ka hatramin’ny taona 1933, namoizany ny reniny. Taorin’izay izy no nianatra tao Ambohijatovo Atsimo (1933-1941). Nanohy izany fianarany izany izy tao amin’ny kolejy Paul Minault ny taona 1942.

Ny taona 1960 izy no nianatra momba ny asa fanaovan-gazety tany Strasbourg ary nanohy izany hatrany hatramin’ny taona 1978 izay nifantohany kokoa ny mahakasika ny literatiora. Tafiditra mpikambana tao amin’ny academia Malagasy izy ny taona 1988.

Mpanoratra nifantoka kokoa tamin’ny teny malagasy i Georges Andriamanantena ary anisan’ny nahasarotiny sy narovany fatratra ny kolontsaina. Ny asa soratry Rado miisa 10 amin’izao fotoana izao no entina hampianarana ireo mpianatra amin’ny ambaratonga faharoa amin’ny taranja Malagasy, ohatra amin’izany ny Dinitra (1973), Zo (1977), Sedra (1993), Voninkazo Adaladala (2003).

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire