Chine : Sambo mpitondra entana nidona tamin’ny tetezana, olona roa no namoy ny ainy
Sambo mpitondra kaontena iray, nandeha tao amin’ny renirano mampitohy an’ny Foshan sy Canton, any atsimon’i Chine, no nidona tamin’ny tetezana Lixinsha, omaly maraina. Nandona ny arofanin’ny tetezana ity sambo ity ka nihitatra hatrany amin’ny faharodanan’ny foto-drafitr’asa izany ka fiara miisa dimy no nianjera tany anaty rano sy notatazan’ilay sambo. Araka ny tatitra navoakan’ireo manam-pahefana tany an-toerana, olona roa no avotra soa aman-tsara tamin’ity loza ity, roa hafa kosa no namoy ny ainy ary telo hafa no tsy mbola hita popoka. Ankoatra ireo, nisy ekipa avy amin’ireo tan-tsambo ihany koa no naratra.
