Venezuela : Olona maherin’ny 15 maty vokatry ny fihotsahan’ny toeram-pitrandrahana vato tsy manara-dalàna
Olona maherin’ny 15 no namoy ny ainy vokatry ny fihotsahan’ny tany tao amin’ny toeram-pitrandrahana vato iray, tany atsimon’i Venezuela. Tsy manara-dalàna ity torana nisehoan’ny loza ity raha ny voalaza. Ny talata tolakandro no nisehoan’ny loza tao amin’ny mine Bulla Loaza. Olona am-polony maro no niasa tao an-toerana tamin’ny fotoana nisehoan’ny loza, ary misy ny tsy ampy taona tamin’izy ireo. Ankoatra ireo namoy ny ainy, dia nisy ihany koa ireo hafa naratra nandritra izany, ary nentina namonjy ny hopitaly tao Cuidad Boliviar. Mbola mitohy moa ny fikarohana ireo hafa mety tavela any amban’ny tany, ataon’ireo manam-pahefana any an-toerana.
