Kolontsaina : Ny hevitry ny Aloalo teo amin’ny Ntaolo malagasy
Ny Aloalo dia hazofisaka matevina sy lava voasikotra, ahitàna sary maromaro mifanaingina toa ny sarin’omby, sary masoandro, sary maneho alahelo, sarin’ny volana ary sarin’ny kintana. Raha nodinihin’ireo mpandalina ny teny dia « Alo » natao teny verindroa ny hoe « Aloalo ». Ny teny verindroa izay nataon’ny Ntaolo hanalefahana ny hevitra iray. Raha hitarina kely dia lasa « Aloka » sy « Manaloka » dia ireo avelon’ny maty sy ny tontolony.
Maro ireo Malagasy nampiasa izany ho ravaka sy haingo nanomboka ny taona 90. Eo amin’ny foko Mahafaly sy ny foko Tandroy nefa dia mariky ny fahafatesana ny Aloalo. Amin’ny toerana voatokana ihany no hametrahany izany fa tsy amin’ny toerana rehetra. Ho an’ireo foko ireo dia natsangana teny ambony fasana izany, ho famantarana fa fasana ny toerana iray ary ho famantarana ny tantaram-piainan’ilay maty milevina ao anatiny.
Tsy fanao amin’ny tontolon’ny velona ny Aloalo. Maro ny fady sy fomba arahin’ny foko Mahafaly momba izany. Anisan’izany ny tsy hanamboaran’ny fianakaviana tompo-manjo ny Aloalo. Any anaty ala lavitry ny trano fonenan’ny velona no hamboarina azy fa tsy azo amboarina akaiky ny tanàna. Hazo atao hoe « Mendoravy » no hanamboarana azy sy ny vatampaty. Hosorana menak’omby ny Aloalo, tsy azo itondràna azy ny fonenan’ny velona ary tsy azo ampiakarina an-tanàna izy.
Misy fomba manokana rehefa hametraka ny Aloalo eo ambony fasana izay tsy azo atrehin’ny zaza amam-behivavy. Misy karazany telo kosa ny Aloalo hoan’ny foko Mahafaly : ny Aloalo miendrika lakoroa, natao hoan’ny Andriana ; ny Aloalo ajoro miala metatra vitsy ny fasana, hatao fangatahampitahiana raha toa ka tsy azo itsahina ilay fasana ; ary ny Aloalo atao hoe « Ajiba » izay natao hahatsiarovana ireo olona maty tsy hita faty.
