ActualitésTatitra

France : Tafiakatra ambony dia ambony ny isan’ny voafonja

Mirakitra ny isan’ny voafonja « record » i France amin’izao fotoana. Raha ny antontan’isa nivoaka farany dia mahatratra 74.513 isa ireo voafonja ao amin’ny firenena, isa izay niakatra 2.500 raha noharina ny tamin’ny taon-dasa. Mahery ny 16.000 isa manoloana ny taha zakan’ny fonja ihany koa io antontan’isa io raha ny fanazavana.

Manoloana izany dia mizaka vesatra 122,88% ny fonja. Nanamafy ny ministeran’ny fitsarana ao an-toerana fa teo anelanelan’ny volana jona sy jolay dia nitombo 814 ireo voafonja raha 537 teo anelanelan’ny volana may sy jona ary 82 tany alohan’ny volana may.

Hipoka (surpeuplées) ny fonja ao amin’ny firenena miainga any amin’ny fonja Majicavo Mayotte hatrany amin’ny foiben’ny fonja ao Perpignan, ao Nîmes izany toe-javatra tondron’ny CEDH molotra (Cour européenne des droits de l’Homme).

Laisser un commentaire