ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy: Miverina indray ny fitobian’ny fako ao Andafiavaratra

Miverina indray ny fisian’ny fako mivangongo ao amin’ny fokontany Andafiavaratra Ambohitrarahaba. Manao antso avo amin’ireo tomponandraikitra voakasika ny mponina.

« Rehefa elaela tsy misy maka dia mitoby be io fako io. Kanefa ny fivangongony eo dia miteraka olana maro. Ny fofona ratsy sy ny aretina, indrindra amin’izao andro miditra anatin’ny mangatsiaka izao » hoy i Raivo, mponina ao Andafiavaratra.

« Ny fako dia miteraka olana foana. Rehefa tsy ara-potoana ny fakana azy dia mitoby ny fako. Ilàna fandaminana sy fanentanana ny mponina manokana ny mahakasika azy io. Miainga any amin’ny tomponandraikitra izany hatrany amin’ny mponina dia tokony samy mahatsapa tena sy mandray andraikitra » hoy i Mario, mpisehatra amin’ny fampandrosoana ifotony.

Mila fandaminana manokana ny fitantanana ny fako. Mila fampamdraisana andraikitra ny tsirairay eny ifotony ihany koa anefa izany.

Laisser un commentaire