SocialTatitra

France: 90% ireo faritra ao anatin’ny fitandremana amin’ny fisian’ny « moustique tigre

90% n’ireo faritra any France amin’izao fotoana no nahazo fampitandremana miloko « pourpre » (aorian’ny loko mena)izay efa fanahirana ambony amin’ny mahazava-doza ny fisian’ny moka « moustique tigre » any an-toerana. Misy loko dimy amin’ny filazana loza amin’ity tranga ity, dia manomboka amin’ny loko maintso ka hatramin’ny « pourpre » ka ity farany no efa anatin’ny loza mihatra.  Miantso ny mponina ho mailo sy hitandrina manoloana izany ireo manam-pahefana any an-toerana. Etsy ankilany manahy mafy ny fihanaky ny vokatr’izany amin’ny fanatanterahana ny lalao olympika 2024 ireo tomponandraikitra. Ankoatra ny ao amin’ny renivohitr’i France ity, departemanta 75 ihany koa no anatin’ny filazana loko mena amin’izao.

Laisser un commentaire