Anosy Avaratra: Hisy hetsika ara-pahasalamana maimaim-poana
Hisy tolotra ara-pahasalamana maimaim-poana ao amin’ny hopitaly Anosy Avaratra. Ny 21, 22 ary 23 may izao no hanatanterahana izany.
« Tahaka ny efa fanao mahazatra eto amin’ny kaominina. Hisy ny fizaham-pahasalamana ho an’ny ankizy, lehibe ary ny zokiolona. Fitiliana ireo karazana aretina ary fanalana nify, fizarana torohevitra ho an’ny vehivavy sy ny tsy fanjarian-tsakafo ary ny efa fanao isan-taona dia ny fanaovana didim-poitra faobe » hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.
« Ilaina dia ilaina ny fanaovana fizaham-pahasalamana amin’izao fotoana. Efa maro be ireo karazan’aretina miseho kanefa ny ankamaroan’ny olona dia tsy mahalala na mahatsapa akory fa marary. Ny hetsika toy itony dia natao hanampiana ny daholo be ka tokony hararaotina » hoy i Mahery, mpitsabo.
Fanampiana lehibe ho an’ny mponina ny fanatanterahana hetsika ara-pahasalamana. Maro ireo mahazo tombotsoa ao anatin’izany.
