Amoron’i Mania: Nitrangana lozam-piarakodia mahatsiravina
19 oktobra; nitrangana lozam-piarakodia mahatsiravina omaly tao Ilaka Centre RN7 Amoron’i Mania. Taxibrousse avy any Ambositra ho any Sambava no tra-doza; nifandona tamin’ny fiara lehibe mpitatitra entana. Potika tanteraka ilay Taxbrousse; namoy ny ainy vokatry izany ny mpandeha iray sy ny mpamily; 18 naratra anisan’izany ny mpamilin’ilay fiara lehibe. Efa nentina teny amin’ ny tombim-pahasalama ireo naratra.
