Indonésie : Tena misy ny akoho mainty
Akoho mainty ranoray hatramin’ny taolana sy nofo ny Cemani. Iray amin’ireo karazana akoho efatra ao Indonésie « kedu » atao hoe « ayam kedu » izy io. Na ny ràn’io akoho io aza dia manopy mainty. Miloko mavo na somary mavokely kosa ny atodiny.
Sokajian’ireo mponina ao Indonésie manan-kasina sy mitondra vintana tsara ny akoho mainty. Vitsy ny mihinana azy noho izany. Ampiasaina hanaovana sorona sy ny fanamboarana fanafody nentim-paharazana samihafa izy.
Manodidina ny 40 € eo ny vidin’ny Cemani. Mahatratra hatramin’ny 2.500 dollars kosa nefa ny vidin’izany ao Etats-Unis.
