Dépêches

Fitsarana miaramila: Hifarana ny alahady 16 oktobra izao ny eto Antananarivo Renivohitra.

Dpêche 13 octobre, 12h, Rehefa avy nitety ny faritra rehetra ny tompon’andraikitra dia efa tafaverina teto Antananarivo indray amin’ny fitsarana miaramila. Ny tanora rehetra 19 ka hatramin’ny 31 taona no antsoina amin’izany ary tsy ankanavaka na lahy na vavy. Eo amin’ny kianjan’ny Betongolo no hanatanterahananizany ho an’ny eto Antananarivo renivohitra  ka ny alahady izao no fiafarany. Natao moa ity fitsarana miaramila ity hahafahan’ireo tanora ireo misitraka ny karatra maitso ka ny tombony amin’izany dia fisitrahana ihany koa ireo raraham-panjakana, ny fivoahana ny faritry Madagasikara, ny fitadiavana asa sy ny tombon-tsoa maro isan-karazany.

Laisser un commentaire