Muraenidae : Hazandrano maro karazana indrindra
Karazana hazandrano ao amin’ny fianakavian’ny « anguilliformes » ny « murènes » na « murénidés » omena ny anarana siantifika hoe Muraenidae. Misy karazany 200 mizara « genre » 16 io trondro io. Ny « murène à longue queue » no karazana lehibe indrindra amin’izany izay misy mirefy hatramin’ny 4 m raha 1,50 m no antoniny.
Trondro « téléostéens » ny « murénidés ». Miavaka amin’ny tsy fananany vombony roa izy, malama sy matevina ny hodiny, tsy misy kirany izy ary tery « fente operculaire ». Mety ahitana ny Muraenidae avokoa eran’izoa tontolo izao, sady afaka miaina anaty ranomasina tropikaly izy afaka miaina anaty ranomasina mafana (tempéré) saingy any amin’ny ranomasina mafana no terana ahitana karazana maro aminy.
