Fizahan-tany: Mbola marefo ny tolotra ho an’ireo mpizahatany vahiny.
Tsy mbola mahasarona ny tinadin’ireo mpizahatany tonga avy any ivelany ireo tolotra amin’ny toera-pandraisam-bahiny eto Madagasikara. Maro ireo mpizahatany saingy ny toerana mendrika handrasiana azy ireo no mbola tsy ampy ary mila harenina faran’izay haingana izany.
Trano fandraisam-bahiny misalotra kintana 3 iray dia efa mety handaniana hatramin’ny 125 000dollars ka izay no mbola mampavitsy azy. Ity karazany iray ity anefa no azo lazaina ho tafiditra ao amin’ny “standing international”.
“Ireo efitrano manana “standing international” ireo dia mbola vitsy mihitsy any amin’ny faritra ahitana mpizahatany maro. Raisiko ho ohatra izany any Ranohira izay hotely misalotra kintana 3 miisa 4 no any ary zara fa manana efitrano 30 fotsiny izay feno ary tsy maharaka rehefa fotoanan’ny “haute saison” ary toy izany ihany koa any Andasibe”, hoy i Joel Randriamandranto, minisitry ny Fizahantany.
“Efitrano miisa 2 000 no efa nolaaina fa ilaina haorina hahafahana mandray ireo mpizahatany ireo ary efa efitrano 828 izao no voatsangana saingy mbola hotely misalotra kintana 2 ihany izany. Ny fenitra iraisam-pirenena amin’izany dia mbola tsy voahaja fa efa afaka handraisana vahiny kosa ihany aloha ireo efitrano ireo. Araka’izany anefa dia mbola tsy ampy aloha hatreto”, hoy ny avy ao amin’ny Economic development board of Madagascar (EDBM) raha nanazava izy ireo.
Ilaina ary tena mety ny manao ny fampahafantarana sy ny doka ary ny fanentanana ireo mpizahatany vahiny ho avy eto Madagasikara ary dia tena mitombo tokoa izany saingy mila hatao mendrika izany ihany koa anefa ireo foto-drafitrasa hahafahana mandray azy ireo. Izeany rehetra izany dia mety mbola anisan’ny hahasiraka ireo vahiny ireo ihany koa. Tsy ny vahiny ihany no entanina hitsidika sy ho tia ary hahalala an’ny Madagasikara fa na isika eto an-toeran aza anisan’ny antsoina amin’izany. Toerana aiza izao no tinao hotsidihina amin’izao?
Miora Raharisolo
