Sabotsy Namehana: Niverina araka ny tokony ho izy ny lalan’ny mpandeha tongotra
Niverina araka ny tokony ho izy ny fampiasana ny lalan’ny mpandeha tongotra (trottoir) ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana amin’izao fotoana izao, noho ny ezaka nataon’ny kaominina tao an-toerana. Araka ny voalaza, anisan’ny nampatahotra, ary nahiana hiteraka loza ho an’ny mpampiasa azy noho ny fahateren’ny lalana. Tsy maintsy nilatsaka tamin’ny arabe ireo mpandeha tongotra, antony nahatonga ny ezaka ho amin’ny fametrahana ny lalan’ny mpandeha tongotra amin’ny laoniny.
“Hankasitrahana ny fandraisana andraikitra nataon’ny kaominina, ary hirariana mba hitohy ny ezaka ho fampandrosoana ny faritra. Ny mponina etsy andaniny izany, tokony samy miezaka manaja sy manaraka ny fitsipika napetraka. Tsy misy afa-tsy izay ihany no miteraka fampandrosoana” hoy I Alphonse, mponina ao Sabotsy Namehana.
“Ilana ny fanaraha-maso ny ezaka tahaka izao. Ilaina ihany koa ny fanentanana ho an’ireo mpampiasa ny lalana rehetra na ireo mpitondra fiara na mpandeha an-tongotra, indrindra moa fa ireo mpanorina na mpivarotra amin’ny sisin’arabe, izay tena mila fanentanana mahakasika ny fampiasana ny arabe sy ny lalan’ny mpandeha tongotra, hisorohana ny loza samihafa” hoy I Dina, tomponandraikitra misahana tetikasa.
Anisan’ny tsy mbola ampy eto amintsika ny fanentanana mahakasika ny fampiasana ny lalana. Anisan’ny miterakan olana hatrany izy io eo amin’ny mpampiasa lalana, na mpivarotra, na mpitondra fiara na mpandeha tongotra. Ilaina araka izany ny mampahafantatra, manao fanentanana ho an’ny olom-pirenena hisorohana ny olana isan-karazany.
Manitra Ramanantsoa
