Alasora: Nisy fahavakisana ny fantsona mitondra rano ao Ambatonjara
Niteraka savorovoro ho an’ny mponina tao amin’ny fokontany Ambatonjara, Alasora indray ny fahavakisan’ny fantsona mitondra ny rano tao an-toerana, ny alahady hariva teo. Efa matetika no vaky ity fantsona ity, raha ny voalaza.
« Tsy hay izay anton’ny fahavakisan’ity fantsona ity. Efa fanintelony izao no nisian’ny fahavakisana teto. Fokontany maro no lasibatry ny fahatapahan-drano ao anatin’izao satria fantsona mitondra ny rano mankao Mahatsinjo, Ambohibary, Ampahibato Ambohitanety ary Ambohimarina ity » hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
« Efa ho lava ny olan’ny rano eto Alasora. Mila jeren’ny tomponandraikitra avy amin’ny jirama akaiky ary hitondrana vahaolana maharitra ity tranga ity satria tsy mbola manomboka akory ny main-tany dia miseho ireo karazan’olana amin’ny rano, indrindra ny eo amin’ireo fitaovana ihany koa » hoy i Fanja, renim-pianakaviana.
Maro ireo olan’ny rano miseho ao amin’ny kaominina Alasora. Manao antso avo amin’ny tomponandraikitra ny kaominina manoloana izany noho ity olana ity miantraika mivantana amin’ny fiainan’ny mponina.
