ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Hazakazaka mahatratra hatrany amin’ny 5km

Hisy ny hazakazaka mahatratra hatrany amin’ny 5km izay karakarain’ny kaominina Ankadikely Ilafy ny sabotsy 03 septembre 2022 ho avy izao. Marihina fa efa maro ireo hetsika hazakazaka teo aloha. Ao Antanandrano no fialàna, ary ao ihany koa no fahatongavana amin’izany.

Anisan’ireo mpanohana ofisialy amin’izany hetsika izany Kemi Morvant, izay tohanan’ny ben’ny tanàna ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy ihany koa. Hatao izany hetsika izany mba hanomzana lanja hatrany ny taranja fanantanjahan-tena. Ilaina ny mihazakazaka mba ho feno fahasalamana. Afaka mandray anjara avokoa izay te handray anjara rehetra, singanina manokana amin’izany ireo mponina eto Avaradrano.

Famenontsoa Rajerison

Laisser un commentaire