Amparafaravola : Lavon’ny zandary ny jiolahy fito
Vokatry ny paik’ady tsara petraka teo amin’ny zandary, jiolahy miisa fito no indray lavo nandritra ny fifandonana mahery vaika teo amin’ny zandary sy ireto jiolahy tao amin’ny fokontany Ambodirano, distrikan’Amparafaravola ny marainan’ny 23 aogositra.
Jiolahy hikohizana eo amin’ny fampiorohoroana, fanolanana ary mpamono olona amin’ny fomba feno habibiana tao Tsaratanàna, Anjozorobe, Amparafaravola, Ambatondrazaka ary ny faritry Moramanga iny ireto jiolahy ireto. Tao amin’ny kizon’Ampasamalama no nisehoan’ny fifandonana teo amin’izy ireo sy ny zandary avy ao Alaotra Mangoro. Taorian’ny nahafantarana fa manomana fanafihana ireto jiolahy izay tarihin’ilay rain-dahiny antsoina hoe Bemoto no nidina avy hatrany tany amin’ny distrikan’Amparafaravola ireo zandary izay efa manao hetsika fampandrian-tany sy fisafoana ara-piarovana avy amin’ny Vondron-tobim-paritra Ambatondrazaka sy Moramanga.
Noho ny paik’ady tsara petraka tao anatin’izany, lavo ireto jiolahy, ary tsy nisy nahiana kosa etsy ankilany ireo zandrary, nanao ny ainy tsy ho zavatra manoloana ity fifandonana. Mahatsiaro mandry fahalemana ireo mponina any an-toerana ary velom-panantenana fa afaka hihary am-pitoniana.
Manitra Ramanantsoa
